jeudi 19 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alakamisy 19 Jolay 2012 - Mat 25 : 14 - 30

14 Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy. 15 Koa ny anankiray dia nomeny denary 30 000, ny anankiray denary 12 000 ary ny anankiray denary 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa. 16 Avy hatrany ilay nandray denary 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denary 30 000. 17 Toy izany koa no nataon'ilay nandray ny denary 12 000 ka nahazo tombony denary 12 000. 18 Fa ilay nandray denary 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan'ny tompony. 19 Nony ela, dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin'ny petra-bolany. 20 Dia nanatona ilay nandray denary 30 000 ka nanolotra denary 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: Denary 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denary 30 000 hafa tombony aho. 21 Dia hoy ny tompony taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao! 22 Dia nanatona koa ilay nandray denary 12 000 ary nilaza hoe: Denary 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denary 12 000 hafa tombony aho. 23 Dia hoy ny tompony taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao! 24 Dia nanatona kosa ilay nandray denary 6 000 ary nilaza hoe: Fantatro, tompoko, fa lehilahy mila voatsiary ianao, ka mijinja amin'izay tsy namafazanao ary manangona amin'izay tsy nanelezanao. 25 Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny volanao tao anaty tany; koa indro fa averiko aminao ny fanananao. 26 Dia hoy ny tompony taminy: Mpanompo ratsy sady kamo raha ianao! Fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho ary manangona amin'izay tsy nanelezako. 27 Noho izany, tokony ho napetrakao tany amin'ny banky ny volako ary ho noraisiko mbamin'ny zana-bola ny fananako rehefa tafaverina aho. 28 Koa alao ny denary 6 000 eny aminy, dia omeo an'ilay manana denary 60 000. 29 Eny, izay rehetra manana no homena hatrany ary hanam-be; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy. 30 Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin'ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/19/2012 12:00:00 AM

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12