16. Honina any amin'ny taniefitra ny rariny ary hanjaka ao amin'ny saha mahavokatra ny hitsiny. 17. Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany. 18. Ny vahoakako hitoetra ao amin'ny faritra miadana, ao amin'ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin'ny fialan-tsasatra feno fitoniana. 19. Amin'izay kosa ho ripaka ny ala noho ny havandra ary harodana hilamaka tokoa ny tanana. 20. Kanefa ho sambatra ianareo afaka mamafy eny amoron-drano na aiza na aiza sady mamela ny omby sy ny boriky hiriaria!
--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/25/2012 12:00:00 AM
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...