jeudi 27 septembre 2012

Alakamisy 27 Septambra 2012 - Gal 2 : 11 - 21


11 Kanefa nony tonga tany Antiokia i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony. 12 Fa talohan'ny nahatongavan'ireo olona vitsivitsy naman'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin'ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan'ny voafora. 13 Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin'i Petera, ka i Barnaba avy aza no voataonan'ny fihatsarambelatsihin-dry zareo. 14 Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin'i Petera teo anatrehan'ny olona rehetra: Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon'ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon'ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon'ny Jiosy? 15 Ary hoy aho aminareo: Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin'ny hafa firenena. 16 Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina, tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana fa noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an'i Kristy Jesoa mba hankatoavan'Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan'i Kristy fa tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana. 17 Raha mitady hiray amin'i Kristy izahay mba hankatoavin'Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon'ny fahotana ve i Kristy? Sanatria! 18 Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalana ahy. 19 Fa izaho, dia tamin'ny alalan'ny lalana no nahafatesako raha ny amin'ny lalana mba hahavelomako ho an'Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana aho; 20 ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin'ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin'ny finoana niainan'ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21 tsy ataoko very maina ny fahasoavan'Andriamanitra! Eny, raha ny lalana no mahatonga ho marina eo imason'Andriamanitra, dia maty tsy amin'antony i Kristy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12