samedi 1 septembre 2012
Sabotsy 01 Septambra 2012 - Job 27 : 6 - 11
6. Hazoniko mafy ny fahamarinako ka tsy havelako hiala: Mandry ny eritreritro ka tsy misy hampahamenatra ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza. 7. Ny anjaran'ny ratsy fanahy anie no ho an'ny fahavaloko! Ary ny anjaran'ny olon-dratsy kosa no ho an'ny mpifanandrina amiko! 8. Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka, raha esorin'Andriamanitra ny ainy? 9. Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra raha sendra zoim-pahoriana izy? 10. Raha mba nahita fahafinaretana teo anilan'ilay Tsitoha izy, dia ho niantso an'Andriamanitra mandrakariva. 11. Hampiseho anareo ny asan-tanan'Andriamanitra aho, ary tsy hanafina ihany koa ny hevitr'ilay Tsitoha.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...