samedi 22 septembre 2012
Sabotsy 22 Septambra 2012 - Isa 33 : 13 - 16
13. Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko. 14. Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiona, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: ''Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan'izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an'izao afo tsy misy farany izao? 15. -Izay mandeha araka ny rariny ka miteny tsy misy olakolaka, izay manda ny tombontsoa azo an-keriny sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra, izay manampin-tsofina tsy hihaino ny teny mampirisika hamono olona, izay manakimpy ny masony mba tsy hijery ny ratsy. 16. Izany olona izany no honina eny amin'ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...