mercredi 19 septembre 2012
Alarobia 19 Septambra 2012 - Job 31 : 24 - 30
24. Moa nametra-pitokiana tamin'ny volamena ve aho na nanao taminy hoe: ''Ianao no aroko? 25. Tsy nifaliako ny habetsahan'ny fananako sy ireo harena voaangon'ny tanako. 26. Raha nahita ny masoandro mamirapiratra aho na ny volana mizotra mangarangarana,
27. moa voababo mangingina hitsaoka azy ve ny foko, ary moa nanoroka tanana ve aho ho fanajana azy? 28. Ny fanaovako izany zavatra izany dia heloka melohin'ny mpitsara ihany koa, satria fandavako an'Andriamanitra Avo Indrindra. 29. Moa faly tamin'ny fahavoazan'ny fahavaloko ve aho na nibitabitaka raha nianjadiam-pahoriana izy? 30. Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako ka hanompa azy sy hanozona azy ho faty.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...