samedi 8 septembre 2012
Sabotsy 08 Septambra 2012 - Dan 09 : 17 - 19
17 Ary ankehitriny, ry Andriamanitray o, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo. 18 Ry Andriamanitro o, atongilano ny sofinao ka mihainoa, ary ahirato ny masonao ka jereo ny faharavan'ity tanananay, dia ilay tanana izay niantsoana ny anaranao hitahiana azy; fa tsy noho ny asa soa vitanay no anaovanay fifonana eto anatrehanao fa noho ny halehiben'ny famindramponao. 19 Tompo o, mihainoa; Tompo o, mamela heloka; Tompo o, mandrenesa ka miasa; noho ny aminao aza ela Ianao, ry Andriamanitro o, satria ny tanananao sy ny vahoakanao dia efa niantsoina ny anaranao hitahianao azy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...