dimanche 1 septembre 2013

Alahady 01 Septambra 2013 - Sal 71 : 1 - 13

1TOMPO ô, Ianao no fialofako
ka tsy ho diso fanantenana
na oviana na oviana aho!
2Noho ny fahamarinanao
dia afaho sy ambeno aho,
anongilano sofina ka vonjeo.
3Aoka Ianao ho vatolampy miaro ahy
sy ho manda ahitako famonjena!
Ianao tokoa no harambato
sady toera-mafy ho ahy.
4Andriamanitro ô, ambeno re aho
mba tsy ho azon'ireo olon-dratsy
na ho voatanan'ny olo-meloka
mbamin'ny mpanao an-keriny.
5Fa Ianao no fanantenàko,
ry Tompo ANDRIANANAHARY ô;
Ianao no itokiako
hatry ny fahakeliko.
6Vao teraka aho, dia niantehitra taminao;
mbola tany am-bohòka aho, efa mpiaro ahy Ianao.
Ianao lalandava no fidèrako.
7Toa zava-mahagaga ho an'ny maro aho,
kanefa Ianao no fialofa-mafy ho ahy.
8Ho feno fiderana Anao anie ny vavako
ary ho feno fankalazana Anao isan'andro.
9Aza arianao aho, nony antitra;
aza afoy, rehefa lany hery.
10Fa miresaka ahy ny fahavaloko,
miara-mioko mikendry ny hahafaty ahy.
11Hoy ireo hoe: «Nafoin'Andriamanitra io
ka enjeho; sambory fa tsy misy mpanafaka.»
12Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy;
Andriamanitra ô, faingàna re hamonjy.
13Ho menatra sy ho afa-baràka anie
ireo olona mpiampanga ahy;
ho voatevateva sy ho very haja anie
ireo olona mitady hanisy ratsy ahy!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12