samedi 21 septembre 2013

Sabotsy 21 Septambra 2013 - Mat 16 : 21 - 28

21Hatramin'io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin'ny mpianany* hoe:

–Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon'ny loholona* sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna* mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.

22Fa i Petera kosa nitondra an'i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe:

–Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!

23Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin'i Petera hoe:

–Mialà amiko, ry Satàna*! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin'ny ratsy ianao, satria tsy hevitr'Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr'olombelona.

24Avy eo dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpianany:

–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.

25Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy. 26Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy? 27Eny, rahatrizay ny Zanak'olona* ho avy ombàn'ny voninahitra homen'ny Rainy sady otronin'ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan'olona. 28Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak'olona tonga amin'ny maha mpanjaka Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12