mardi 24 septembre 2013

Talata 24 Septambra 2013 - Isa 25 : 1 - 8

1TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro.
Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho,
satria notanterahinao ny zava-mahagaga
izay efa nokasainao hatry ny elabe
sady mafy orina sy azo itokiana.
2Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna,
noravanao tokoa ny tanàna mimanda;
tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan'ny mpiavonavona
sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.
3Noho izany, dia hisy firenena matanjaka
hanome voninahitra Anao;
ary ny tanànan'ireo firenena lozabe
dia haneho fanajana Anao.
4Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an'ny osa;
eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo Ianao
amin'ny andro mampahory azy ireny.
Fialofana amin'ny orana Ianao
sady alokaloka amin'ny hainandro,
satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka
dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho
5na toy ny hainandro mitarika tany karakaina.
Resenao ny tabataban'ny mpiavonavona;
eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro
no ampanginana tsy ho re intsony
ny hiram-pandresen'ny mpanjakazaka.

6Eto amin'ity tendrombohitra Tsiôna* ity,
ny TOMPOn'izao rehetra izao
dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra,
fanasana amin'ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela,
dia hena matavy be sy feno tsoka
ary divay niotrika ela sady voadio tsara.
7Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana
izay nanarona ny vahoaka rehetra,
hanafoana ny lambam-pahoriana
izay nandrakotra ny firenena rehetra.
8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.
Hofafan'ny Tompo ANDRIANANAHARY
ny ranomaso amin'ny tava rehetra,
ary hoesoriny ny fahafaham-baràka
nahazo ny vahoakany manerana ny tany.
Izany no nampanantenain'ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12