dimanche 7 août 2016

Alahady 07 Aogositra 2016 - I Tan 29 : 1 - 9

1Dia hoy i Davida mpanjaka tamin'ny olona rehetra tafangona teo:

–I Salômôna zanako, ilay hany nofidin'Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an'olombelona fa tempoly* ho an'ny TOMPO Andriamanitra. 2Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an'ny tranon'Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka. 3Ankamamiko tokoa ny tranon'Andriamanitro; ka ho fanampin'ny zavatra rehetra nomaniko ho an'ity Toeramasina* ity, dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana: 4dia volamena avy any Ôfira, milanja zato taonina; volafotsy madio milanja 240 taonina, natao hapetaka amin'ny ati-rindrina isan'efitrano. 5Iza àry, amin'izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin'ny TOMPO mba hanaovan'ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asa isan-karazany?

6Tamin'zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan'ireo fokon'i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin'ny mpiandraiki-draharahan'ny mpanjaka 7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitra: dia volamena milanja 170 taonina; farantsa volamena miisa 10 000; volafotsy milanja telonjato taonina; halimo milanja eninjato taonina eo ho eo ary vy milanja telo arivo taonina. 8Izay nanana vatosoa dia nanome azy teo am-pelatanan'i Jehiela, taranak'i Gersôna, mba ho zava-tsarobidy tahirizina ao an-tranon'ny TOMPO. 9Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany an'izany ho an'ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12