mercredi 17 août 2016

Alarobia 17 Aogositra 2016 - Eks 18 : 13 - 27

13Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin'ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan'i Mosesy. 14Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin'i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Inona izao zavatra ataonao amin'ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?

15Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe:
–Satria ireo olona ireo dia tonga atỳ amiko mba hitady ny fitsarana avy amin'Andriamanitra. 16Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga atỳ amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalànany.

17Dia hoy indray ny rafozany:
–Tsy tsara ny fomba anaovanao ny raharaha! 18Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga atỳ aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery! 19Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin'Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan'Andriamanitra ny raharaha mampifanolana. 20Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalànany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony. 21Fa ny amin'ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin'ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an'Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo. 22Ireo no hitsara ny vahoaka isan'andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin'izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo. 23Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian'Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana.

24Narahin'i Mosesy avokoa ny torohevitry ny rafozany: 25nifidy lehilahy be herimpo teo amin'ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo. 26Ireo no nitsara ny vahoaka isan'andro amin'ny zavatra madinika mampifanolana azy; ny raharaha lehibe dia nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny raharaha madinika dia nalaminy ihany.

27Dia nalefan'i Mosesy nandeha nody any amin'ny taniny ny rafozany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12