vendredi 19 août 2016

Zoma 19 Aogositra - Heb 11 : 23 - 30

23Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy. Hitany manko fa zazakely mahafatifaty i Mosesy, ka tsy natahorany izay baikon'ny mpanjaka.

24Finoana no nandavan'i Mosesy hantsoina hoe zanak'ilay zanakavavin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, nony efa lehibe izy; 25fa naleony niara-nampahorîna tamin'ny vahoakan'Andriamanitra, toy izay hifaly amim-pahotana mandritra ny fotoana fohifohy. 26Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin'ny Mesia* dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.

27Finoana no nandaozan'i Mosesy an'i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra tamin'ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an'ilay Andriamanitra tsy hita. 28Finoana no nanorenan'i Mosesy ny fankalazana ny Paska* sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita* ilay anjely* mpandringana ka mamono azy.

29Finoana no nitan'ireo Israelita ny Ranomasina Mena toy ny nandia tany maina; fa nony mba nanandrana nanao toy izany ireo Ejiptianina, dia voatelin'ny rano.

30Finoana no nampirodana ny mandan'i Jerikao, nony efa nohodidinin'ny Israelita nandritra ny fito andro.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12