lundi 22 août 2016

Alatsinainy 22 Aogositra 2016 - Gal 3 : 1 - 9

1Tsy misaina ianareo, ry Galatianina! Iza moa no nanodoka anareo? Kanefa dia i Jesoa Kristy* voahombo tamin'ny hazofijaliana no naseho mazava teo imasonareo. 2Izaho ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: noho ianareo nanatanteraka ny lalàna ve nandraisanareo ny Fanahy Masina sa noho ianareo nihaino sy nino ny Vaovao Mahafaly*? 3Tsy misaina mihitsy ve ianareo no dia nanomboka tamin'ny herin'ny Fanahy Masina kanefa ankehitriny miafara amin'ny maha olombelona osa sy malemy? 4Dia ho very maina foana ve ny nahatsapanareo zava-dehibe toy ireny, raha ohatra ka ho very maina foana tokoa izany? 5Rehefa manome anareo ny Fanahy Masina sy manefa asa mahery eo anivonareo àry Andriamanitra, moa ve noho ianareo manatanteraka ny lalàna no mahatonga izany sa noho ianareo mihaino sy mino ny Vaovao Mahafaly?

6Izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 7Koa fantaro fa izay velona noho ny finoana no tena zanak'i Abrahama. 8Tsinjon'ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan'Andriamanitra ny hafa firenena* ho marina; noho izany, dia nambaran'ny Soratra Masina mialoha tamin'i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn'Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!» 9Nino i Abrahama ary nomban'Andriamanitra fitahiana; ary izay velona noho ny finoana dia hombàn'Andriamanitra fitahiana tahaka azy koa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12