samedi 27 août 2016

Sabotsy 27 Aogositra 2016 - II Sam 10 : 9 - 19

9Rehefa hitan'i Jôaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vava ady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan'ny Sirianina. 10Ny miaramila sisa kosa nankininy tamin'i Abisay rahalahiny ka nalahany teo anoloan'ny Hamônita. 11Dia hoy i Jôaba tamin'ity rahalahiny:
–Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha ny Hamônita kosa no mahery noho ianao, dia izaho no ho avy hamonjy anao. 12Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.

13Nandroso hiady amin'ny Sirianina i Jôaba sy ny tafiny ka vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo. 14Rehefa hitan'ny Hamônita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anoloan'i Abisay koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanàna. Ary nitsahatra nanafika ny Hamônita i Jôaba ka niverina ho any Jerosalema.

15Fa rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia nivory nitambatra. 16Naniraka olona i Hadadehezera mba hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan'ny ony Eofrata. Dia tonga tao Helama ireo; ary i Sôbàka filohan'ny tafik'i Hadadehezera no nitarika azy. 17Nambara tamin'i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia nita an'i Jôrdàna ary tonga tany Helama. Nitandahatra teo anoloan'i Davida ny Sirianina ka nandrafitra ady taminy. 18Vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sôbàka filohan-tafika, ka maty teo.

19Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireo mpanjaka rehetra mpanoa an'i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin'i Israelita ka nanoa azy. Ary tsy sahy namonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12