vendredi 2 août 2019

Zoma 02 Aogositra 2019 - Neh 4 : 1 - 12

1Rehefa ren’i Sanebalato sy i Tôbià mbamin’ny Arabo sy ny Hamônita ary ny Asdôdita fa mandroso ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema ka efa ho voatampina ny banga, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. 2Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema sy hanimba ny asa. 3Dia nivavaka tamin’Andriamanitray izahay sady nametraka mpiambina andro aman’alina hiatrehana sy hanoherana an-dry zareo. 4Saingy hoy ny lehilahin’i Joda hoe:

«Mihena hery ny mpitondra entana
ary be ny korontan-javatra
ka dia tsy ho vitanay mihitsy
ny handrafitra ny manda!»

5Ny fahavalonay kosa nihevitra fa tsy hahalala na hahita izahay, raha tsy tonga eo afovoanay izy ka mahafaty anay ary mampitsahatra ny asa.


6Ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ireo fahavalonay ireo dia tonga nampandre anay impolo kely hoe: «Hatraiza hatraiza no iavian-dry zareo hamely antsika!» 7Dia nasiako miaramila tamina toerana iva saingy voaaro, teo ivelan’ny manda; araka ny tarika nipoirany avy no nandaharako azy, samy nitana sabatra sy lefona ary tsipîka. 8Rehefa nijery izany aho, dia niainga nilaza tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe:
–Aza atahorana ny fahavalonareo! Tsarovy fa ny Tompo no lehibe sy mahatahotra; ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny tranonareo.

9Nony ren’ny fahavalonay fa efa fantatray sady efa nofoanan’Andriamanitra ny tetik’adiny, dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy nandray ny asany avy. 10Saingy nanomboka tamin’io andro io, dia ny antsasaky ny oloko no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona sy ampinga ary tsipîka aman’akanjo fiarovan-tratra; ireo filoha dia samy teo ivohon’ny olona rehetra amin’i Joda 11izay namboatra ny manda. Ny mpitondra entana dia samy niasa tamin’ny tanany anankiray ary nitan-defona kosa ny tanany an’ila; 12ny mpandrafitra rehetra, teo am-pandrafetana, dia samy nanan-tsabatra anankiray voafehy teo amin’ny etrany avy; ary ny mpitsoka anjomara dia teo anilako.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12