dimanche 7 février 2016

Alahady 07 Febroary 2016 - I Sam 3 : 15 -21

15Dia nandry mandra-maraina i Samoela; ary novohany avy eo ireo varavaran'ny tranon'ny TOMPO*, nefa dia natahotra ny hilaza amin'i Helỳ ny fahitàny i Samoela; 16kanjo niantso azy i Helỳ ary nanao taminy hoe:
–Samoela zanako ô!

Dia hoy i Samoela namaly:
–Ahoana izay, tompoko?

Ary i Helỳ nanontany hoe:
17–Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin'izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazîn'Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!

18Dia notaterin'i Samoela tamin'i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe:
–Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!

19Ary nihalehibe i Samoela sady nomba azy ny TOMPO; ka tsy nisy tsy tanteraka izay teny rehetra nasainy nambaran'i Samoela. 20Izany no nahafantaran'i Israely manontolo, manomboka any Dana ka mipaka any Beera-Seba, fa mpaminanin*'ny TOMPO i Samoela. 21Dia mbola niseho hatrany ny TOMPO tao Silao; satria tao no fisehoan'ny TOMPO mivantana tamin'i Samoela mba hampahafantatra azy ny teniny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12