samedi 13 février 2016

Sabotsy 13 Febroary 2016 - Rom 9 : 27 - 33

27Ary i Isaià mpaminany dia miantsoantso ny amin'i Israely* hoe: «Na dia mifanisa amin'ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin'izy ireo ihany no hovonjena; 28satria hampihàrin'ny Tompo tanteraka sy haingana eto ambonin'ny tany ny teniny.» 29Ary izany dia araka izay voalazan'i Isaià taloha hoe:
                  «Raha tsy ny Tompon'izao rehetra izao
                    no namela taranaka ho antsika,
                    dia ho efa sahala amin'i Sôdôma* isika
                    ary ho efa nanahaka an'i Gômôra*.»


30Inona àry no holazaintsika? Izao: ny hafa firenena* tsy nitady ho marina teo anatrehan'Andriamanitra no neken'Andriamanitra ho marina noho ny finoana; 31fa ny vahoaka Israely*, izay nitady lalàna* hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra, dia tsy tody tamin'izay nokendren'ny lalàna. 32Inona no antony? Satria tsy tamin'ny finoana fa tamin'ny asa vitany no heveriny hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra.

Ka dia solafaka tamin'ny «vato mahasolafaka» ny vahoaka Israely, 33araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
«Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna*;
kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12