jeudi 4 février 2016

Alakamisy 04 Febroary 2016 - Mat 21 : 33 - 46

33–Mihainoa fanoharana* hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa. 34Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. 35Fa nosamborin'ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato. 36Dia mpiasa hafa, maro noho ny teo indray, no nirahiny; kanefa nataon'ireo mpamboly toy izany koa. 37Tamin'ny farany dia ny zanany no nirahiny ho any amin'ireo mpamboly, fa hoy ilay tompon'ny tanimboaloboka: «Hananan'ireo hena-maso ny zanako!» 38Vao nahita ity zanany kosa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina dia ho lasantsika ny lovany.» 39Dia nosamborin'ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ary novonoiny.

40Dia hoy i Jesoa nanontany hoe:
–Raha tonga àry ilay tompon'ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin'ireo mpamboly ireo?

41Dia hoy ry zareo taminy:
–Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

42Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina:
–Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina* manao hoe:

                     «Ny vato nolavin'ny mpanao trano
                       no nanjary vato fehizoro;
                       avy amin'ny Tompo izao,
                       ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»

43Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [ 44Izay mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]

45Nony nandre ireo fanoharana nataon'i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina*, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin'izany. 46Ary nitady hisambotra Azy ry zareo, saingy natahotra ny vahoaka izay nankatò an'i Jesoa ho mpaminanin'Andriamanitra*.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12