mercredi 3 février 2016

Alarobia 03 Febroary 2016 - Efe 2 : 1 - 10

1Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 2Niaina araka ny fomban'izao tontolo izao* ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin'ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin'ireo olona tsy manaiky an'Andriamanitra. 3Izahay rehetra koa dia anisan'ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filàndratsin'ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin'ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra* tahaka ny hafa koa izahay.

4Kanefa lehibe tokoa ny famindrampon'Andriamanitra, satria fatratra ny fitiavana asehony amintsika; 5ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin'i Kristy*. Fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo! 6Fa noho isika efa tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia niara-natsangan'Andriamanitra ho velona isika sy niara-napetrany any an-danitra. 7Nataony izany mba hanehoany amin'ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin'i Kristy Jesoa. 8Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12