lundi 22 février 2016

Alatsinainy 22 Febroary 2016 - Apo 20 : 11 - 15

11Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy. 12Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan'io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin'ny zavatra voasoratra tao anatin'ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy. 13Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy; Rafahafatesana sy ny Toeran'ny maty koa namoaka ny maty tao aminy; ka samy notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra. 14Rafahafatesana sy ny Toeran'ny maty kosa natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany farihy afo izany no fahafatesana faharoa; 15ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12