lundi 8 février 2016

Alatsinainy 08 Febroary 2016 - Lio 24 : 17 - 31

 17Dia hoy i Jesoa taminy:
–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:
–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian'izy roa lahy hoe:
–Ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany* mahery tamin'ny asany sy tamin'ny teniny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin'ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an'i Israely*, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin'ny nitrangan'izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin'ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan'i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan'ny anjely* anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin'ny lehilahy namanay mba nankany amin'ny fasana ka nahita araka ny filazan'ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

25Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan'ny mpaminany*! 26Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia*, alohan'ny hidirany any amin'ny voninahiny?

27Dia nohazavain'i Jesoa tamin'ireto mpianatra ny momba Azy ao amin'ny Soratra Masina* manontolo, nanomboka tamin'ny bokin'i Mosesy ka nitohy tamin'ny bokin'ny mpaminany rehetra.

28Nony injay izy telo mianaka efa akaiky ny tanàna halehan'ireto mpianatra roa lahy, dia mody nanohy ny diany hatrany i Jesoa,

29fa notazonin'ireo nataony hoe:
–Mijanòna re miaraka aminay, fa efa hariva izao ary efa mandrorona ny andro!

Dia niantrano Izy ka niara-nijanona taminy. 30Raha nipetraka hiara-misakafo iny izy telo mianaka, dia nandray ny mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nozarainy sy nomeny azy roa lahy. 31Izay vao nisokatra ny mason'ireto mpianatra, ka nahafantatra Azy; fa i Jesoa kosa nanjary tsy hitany intsony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12