samedi 20 février 2016

Sabotsy 20 Febroary 2016 - II Pet 3 : 5 - 10

 5Eny, inian'ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin'ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin'ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy. 6Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao* fahiny, dia tamin'ny safodrano. 7Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin'Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin'ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin'Andriamanitra.

8Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. 9Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra. 10Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminyho rava. '>

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12