mercredi 10 février 2016

Alarobia 10 Febroary 2016 - Kol 2 : 9 - 15

 9satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana* nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota; 12fa tamin'ny nanaovana batisa* anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan'i Kristy ny herin'ny fanapahana sy fahefana ampit 1Kôr 15.24.'>; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan'ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12