dimanche 21 février 2016

Alahady 21 Febroary 2016 - Jao 10 : 31 - 42

31Dia naka vato indray ny Jiosy hitorahana Azy, 32fa hoy i Jesoa taminy:
–Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin'ny Ray; ka inona amin'ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?

33Ka novalian'ny Jiosy hoe:
–Tsy ny asa tsara no itorahanay vato Anao, fa ny fanevatevànao an'Andriamanitra; olombelona ihany manko Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.

34I Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tsy voalaza ao amin'ny Soratra Masina* ve izao: «Hoy Aho: Andriamanitra ianareo»? 35Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin'Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra». 36Izaho kosa natokan'ny Ray sy nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an'Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak'Andriamanitra* Aho!

37Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino ahy; 38fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa ny asako mba hahafantaranareo sy hanekenareo fa ny Ray ato anatiko, ary Izaho ao anatin'ny Ray!

39Tamin'izay dia nitady hisambotra an'i Jesoa indray ry zareo fa niala teo Izy ka tsy voatanany.
40Dia lasa i Jesoa nankany andafin'ny ony Jôrdàna, any amin'ilay toerana nanombohan'i Jôhany nanao batisa*, ka nijanona tany.

41Maro no nankeo aminy ka nanao hoe:
–I Jôhany tsy nanao famantarana* na dia iray aza; nefa izay rehetra voalazan'i Jôhany ny amin'ity Lehilahy ity, dia marina avokoa.

42Ary maro no nino an'i Jesoa teo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12