–Mpampianatra ô, iza moa no nanota, ralehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy izy no nanota na ny ray aman-dreniny, fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4Isika tsy maintsy manao ny asan'Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan'iza na iza miasa! 5Raha mbola eo amin'izao tontolo izao* Aho, dia fahazavana ho an'izao tontolo izao.
6Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany sy nanao feta tamin'ny rorany, ka nanosotra feta ny mason'ilay jamba 7ary nanao taminy hoe:
–Ndeha ianao misasa maso any amin'ny dobo Silôà' (Silôà dia midika hoe «Nirahina».)
Dia lasa nankany izy ary nisasa maso ka nahiratra rehefa niverina.