jeudi 11 février 2016
Alakamisy 11 Febroary 2016 - Gen 1 : 20 - 23
20Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra!» 21Dia noarin'Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22Dia nitsodrano* azy Andriamanitra nanao hoe: «Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin'ny tany!» 23Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahadimy.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...