1 Tononkira tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Salamo.
Mihobia an'Andriamanitra, ry mponina eran-tany.
2Ihirao salamo Izy satria be voninahitra.
Tolory voninahitra Izy amin'ny fiderànareo.
3Lazao amin'Andriamanitra hoe:
«Endrey mampitolagaga ny asanao!
Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao,
ka indro fa ikoizan'ny fahavalonao.
4Hiankohoka aminao anie ny mponina eran-tany,
sy hihira salamo ho Anao Andriamanitra,
eny, hihira salamo ho fanajana Anao!»
5Tongava hizaha ny asan'Andriamanitra;
mitolagaga ny olombelona amin'ity ataony:
6ny ranomasina novany ho tany maina,
nitan'ny razanay an-tongotra ny ony.
Aoka hifaliantsika eto izany asany izany!