dimanche 14 février 2016

Alahady 14 Febroary 2016 - Sal 33 : 1 - 11

1Manaova horakora-pihobiana, ry olo-marina,
noho ny amin'izay nataon'ny TOMPO;
fa tombontsoa ho anareo
ny midera Azy, ry olo-mahitsy.
2Miderà ny TOMPO amin'ny lokanga;
ka salamo arahim-baliha torifolo
no ataovy ho fankalazana Azy.
3Mihirà hira vaovao ho Azy.
Manaova feon-java-maneno kanto
miaraka amin'ny fihobiana.

4Fa mahitsy ny tenin'ny TOMPO
ka azo antoka avokoa izay ataony.
5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;
ny fitiavany manenika ny tany.
6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;
niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.
7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina
ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.
8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;
hangovitra eo anatrehany anie
ny mponina rehetra ao aminy!
9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;
nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.

10Ny TOMPO maharava ny fikasan'ny firenena
ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;
11fa ny fikasan'ny TOMPO no maharitra mandrakizay,
ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12