jeudi 25 février 2016

Alakamisy 25 Febroary 2016 - Asa 17 : 10 - 15

10Nony alina ny andro, dia nasain'ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin'ny sinagôga* fivavahan'ny Jiosy. 11Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin'Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan'andro ny Soratra Masina* hanamarinany izay lazain'i Paoly. 12Koa maro tamin'ireo Jiosy no nino; ary, tamin'ireo Grika, dia tsy vitsy ny vehivavy ambony toerana sy ny vadiny no nino. 13Kanefa nony fantatry ny Jiosy tany Tesalônika fa nitorian'i Paoly ny tenin'Andriamanitra koa tao Berea, dia nankany ry zareo nampitabataba sy nampisahotaka ny vahoaka. 14Niaraka tamin'izay dia nasain'ny havana iray finoana nankany amoron-dranomasina i Paoly fa i Silasy mbamin'i Timôty kosa no mbola nijanona tao Berea. 15Ireo nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena. Ary dia niverina tany Berea indray izy ireo nitondra hafatra ho an'i Silasy mbamin'i Timôty; fa niangavian'i Paoly izy roa lahy mba hamonjy azy faran'izay haingana any Atena.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12