21Nomen'ny mpanjaka baiko ny vahoaka rehetra mba hankalaza ny fetin'ny Paska* ho voninahitry ny TOMPO Andriamaniny, araka ny voasoratra amin'ity bokin'ny fanekempihavana* ity. 22Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin'ny andro nanapahan'ny mpitsara an'i Israely* na tamin'ny andro rehetra nitondran'ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda. 23Fa tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Jôsià no nankalazana izany Paska izany tany Jerosalema ho voninahitry ny TOMPO.
24Ho fanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkià mpisorona* tao an-tranon'ny TOMPO*, dia nofoanan'i Jôsià tamin'ny tanin'i Joda sy tao Jerosalema ireo olona mpanontany ny fanahin'ny maty sy mpamoha angatra, ary nopotehiny ny sarivongan-tsampy sy ny zava-maharikoriko rehetra momba azy.
25Ho fehin'izany, talohan'i Jôsià dia tsy nisy mpanjaka tahaka azy izay ny TOMPO no nifikirany tamin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ary ny heriny manontolo, araka ny Lalàn'i Mosesy manontolo. Ary tsy nisy tahaka azy intsony koa tatỳ aoriany.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...