lundi 19 février 2018

Alatsinainy 19 Febroary 2018 - I Sam 3 : 1 - 14

1Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan'i Helỳ.

Tamin'izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan'ny TOMPO mivantana tamin'olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.

2Indray alina dia natory teo amin'ny toerana nahazatra azy i Helỳ izay efa akaiky ho jamba. 3I Samoela koa mba natory tao an-tranon'ny TOMPO, tao amin'izay nisy ny Vatamasina. Nony hadiva haraina ny andro, raha mbola nirehitra ny jiro tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO3.3 teo anilan'ny Vatamasina: araka ny Eks 25.22 dia avy eo ambonin'ny Vatamasina no itenenan'Andriamanitra amin'ireo olona ao anatin'ny Toeramasina. –Ny amin'ilay jiron'ny Toeramasina (mirehitra mandritra ny alina), dia jereo Eks 27.20-21., 4dia niantso an'i Samoela ny TOMPO, ary izy namaly hoe: «Inty aho, tompoko»; 5avy teo dia nihazakazaka nankany amin'i Helỳ i Samoela ka nanao taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

Fa hoy i Helỳ hoe:

–Tsy niantso anao aho, fa 'ndeha miverina matory.
Dia lasa niverina natory i Samoela. 6Niantso azy fanindroany ny TOMPO hoe: «Ry Samoela!»

Dia nitsangana i Samoela ka nankany amin'i Helỳ ary niteny taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

–Tsy niantso anao aho, anaka, fa miverena matory.

7Ary i Samoela tsy mbola nahalala ny TOMPO, satria tsy mbola nitenenany mivantana.

8Niantso fanintelony an'i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin'i Helỳ ka nanao taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

Izay vao fantatr'i Helỳ fa ny TOMPO no niantso ny zaza. 9Ary hoy izy taminy:
–'Ndeha miverina matory; fa raha toa mbola misy miantso anao, dia valio hoe: «Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao!» Dia lasa natory teo amin'ny fatoriany indray i Samoela.

10Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: «Ry Samoela, ry Samoela!»

Dia hoy izy namaly:
–Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.

11Ary hoy ny TOMPO tamin'i Samoela:
–Indro hanao zavatra amin'i Israely Aho, dia zavatra hampangirintsina ny sofin'izay rehetra mandre azy. 12Hampihariko amin'i Helỳ sy ny taranany amin'izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany izany. 13Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany. 14Koa izany no nianianako tamin'ny fianakavian'i Helỳ fa tsy misy sorona na fanatitra hahafa-pahotana azy.

Ny olona itenenan'Andriamanitra

1- Miombom-piainana Aminv
Noho ny fahotan'ny zanak' Israely dia nahalana ny tenin' Andriamanitra. Ny fahitan'Andriamanitra ny toe-panahy nanan'i Samoela dia indro miverina miteny amin'ny olony indray Izy. Na dia mbola zaza tokoa aza i Samoela dia efa nanatanteraka ny asa fanompoana tao amin'nv Tempoly. Natokany ho an'Andriamanitra ny androm-piainana manontolo satria na dia amin'ny alina aza dia tao amin'ny Tempoly izy no natory ary navelany hirehitra ny jiron'ny tempoly mba hazava izanv toerana izany. Tsarovy fa raha manaikv hiombom-piainana mandrakariva amin' Andriamanitra isika, mitoetra amin'ny fiainan'ny zanaky ny mazava dia handray ny tenim-pahasoavany.

2- Maneho nv fahavononana hihaino
Nandre feon'olona miantso azy i Samoela. Na dia alina aza ny andro tsy namono sotìna izy fa feno fahavononana hihaino izay miantso azy. Noheveriny fa i Ely no miantso ka nihazakazaka nanatona azy izy. Rehefa niverina in-telo ilay antso dia fantatr'i Ely fa Andriamanitra no miantso, te-hilaza hafatra amin'ity zaza koa nomeny toro-marika ny amin'ny hoe : « mitenena fa mihaino ny mpanomponao ». Nv fanehoam-pahavononana nasehon'i Samoela hihaino izany miantso azy no nahafany nandray tokoa ny hafatr'Andriamanitra. Raha manana fahavononana hihaino izay miantso antsika isika dia ahafantatra hatrany ny fíkasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona tonga any am-piangonana kanefa tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra fa varian-dresaka?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12