mardi 20 février 2018

Talata 20 Febroary 2018 - I Jao 4 : 4 - 6

4Rey anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy an'ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin'izao tontolo izao. 5Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan'izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin'izao tontolo izao sy ihainoan'izao tontolo izao azy. 6Fa izahay kosa dia avy amin'Andriamanitra; ka izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.

Ny olona mahay manavaka ny fampianarana

Mampitandrina ny mpino manoloana ny fisian'ny fampianaran-diso i Jaona. Fantaro izay ireo mampianatra.

1- Manana ny Fanahv Masina
Mananatra nv kristiana i Jaona mba tsy hinohino foana ny fanahy rehetra. Miankina amin'ny fanahy miasa ao anatin' ny olona ny fampianarana ambarany. I satana dia miezaka mandrakariva ampirenireny ny olon'Andriamanitra. Kanefa rehefa manaiky tarihin'ny Fanahy Masina dia mahay manavaka ny fampianarana marina amin'ny fampiaran-diso ny mpino. Tsarovy fa miaina eto anivon'izao tontolo izao isika. Maro ireo karazam-pampianarana miseho ankehitriny. Meteza hotarihiin'ny Fanahy Masina ianao dia iorina tsara amin'ny finoana. hitoetra amin'ny famonjena efa notanterahin'i Kristy.

2- Tena olon'Andriamanitra
Ambaran'i Jaona eto fa iraka avy amin'Andriamanitra izv. Iraka maneho ny fahamarinana araka an'Andriamanitra. Ny tena olon'Andriainanitra. miombom-piainana amin' Andriamanitra "mahalala an 'Andriamanitra" mahay mihaino. mahay mandray ny fampianarana entiny. Izao tontolo izao ihany no afaka mifampihaino. mifampizara fampianarana. Ampitandremana fatratra noho izany ny mpino tsy handray ny fampianarana mifanohitra amin'ny finoana marina mahakasika an'i Jesoa Kristy ilay Andriamanitra tonga nofo namonjy ny olona rehetra

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona efa nandroso tamin'ny f'anompoana kanefa mihemotra noho ny fandraisana fampianarana hafa?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12