vendredi 16 février 2018

Zoma 16 Febroary 2018 - Jak 1 : 16 - 25

16Aza mamita-tena, ry havako malala: 17ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin'Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin'ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin'ny fihodinana. 18Sitrapon'Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin'ny samy zavaboaariny isika.

19Efa fantatrareo izany, ry havako malala; kanefa aoka ny isam-batan'olona samy ho dodona hihaino fa tsy ho maimaika hiteny na halaky tezitra1.19 Efa fantatrareo izany... samy: misy stf sasany ahitana hoe noho izany, ry havako malala, aoka ny isam-batan'olona samy. –tsy halaky tezitra: ampit Mpitor 7.9., 20satria ny olona tezitra tsy mahefa izay marina soritan'Andriamanitra. 21Noho izany, ario avokoa ny fahalotoana sy ny haratsiam-panahy rehetra; raiso amin'ny fahalemem-panahy ny teny ambolen'Andriamanitra ao anatinareo sady mahavonjy ny tenanareo.

22Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena. 23Satria raha misy olona mpihaino ny teny, nefa tsy mpanatanteraka, dia tahaka ny mijery ny tarehiny ao anaty fitaratra: 24eny, mahita ny tena endriny izy, dia lasa ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny. 25Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin'izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an'asa, dia ho sambatra izy amin'izay asa tanterahiny.

Miteny aminao Andriamanitra

1- Mahaiza mihaino Azy
Manoloana ny toe-javatra iainan'ny fiangonana dia mitaona ny olona tsy hihaino teny hamitahana i Jakoba. Manazava izy fa tsy maka fanahy ny olona Andriainanitra. Nv ataon'Andriamanitra dia ny mizaha toetra. Ny tanjon'Andriamanitra amin'izany dia ny ahatonga ny olony hiorina tsara amin'ny fínoana ka handray ny satroboninahitry ny fiainana. Mihevitra mandrakariva ny mahasoa ny olona Andriamanitra. Fanomezana miavaka no atolony avy any an-danitra. Tanteraka tamin'ny nanomezanv ny Zanany lahy tokana ho famonjena izany. Tsara Andriamanitra. mpanao ny tsara, ary indrindra tsy miova amin'ny fikasany. Mahaiza mihaino ny Teniny.

2- Ankatoavy izay lazainv
Tsy ny hihaino ihany no itarihin'i Jakoba ny mpino eto fa ny hankatoa ihanv koa. Fankatoavana izav ambaranv fa mitondra ny olona ho amin'ny fahafenoam-piainana. Rehefa mihaino tsara, mandray ny Tenin'Andriamanitra ny olona dia fantany ny anjara toerany eo anatrehan" Andriamanitra. Izay mankatoa dia manitsy ny lalany, manaiky hanavao ny fifandraisany amin' Andriamanitra. Araka izany mitaona ny olona hibebaka ny Tenin' Andriamanitra. Ny fiverenan'ny olona amin' Andriamanitra no handraisany ny fiainana feno, fiainam- pahasambarany. Miteny aminao isan'andro Andriamanitra, raiso, ankatoavy izay Iazainy dia ho sambatra ianao.

Fanontaniana :
Fotoana manao ahoana no atokana mba hihaonana sy hihainoana an'Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12