samedi 17 février 2018

Sabotsy 17 Febroary 2018 - Eks 23 : 20 - 23

20«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin'ny tany izay efa nomaniko ho anareo. 21Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako. 22Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon'izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo.

23«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin'ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.

Ilay Andriamanitra mitana ny teny nomeny

1- Manome lova nv olony
Nampanantena Andriamanitra fa ny tany Kanana no omeny ho lova ho an'ny Zanak'Israely. Mba ahatanteraka izany dia manome toky Izy fa maniraka ny Anjeliny ho mpitari-dalana, hanokatra ny lalana hizorana, eny hiady raha misy fahavalo manakatsakana eny an-dalana. Tsarovy fa efa naniraka an'i Jesoa Kristy hanokatra ny lalana handovanao ny Fanjakany Andriamanitra. Matokia Azy.

2- Miteny mandrakariva
Mialoha lalana ilay Anjelv irak'Andriamanitra. Miteny manome toro-marika mandrakariva ho an'ny Zanak' Israely Izy mba ho lavorary nv dia ho anv amin'ny tany Kanana. Tsy maintsy mihaino sy mankatoa ny teny ambarany ny olona. Ny fandavana ny teny ataony dia fandavana toyny fandavana an'Andriamanitra. Miteny aminao isan'andro Andriamanitra. Tiany handova ny Fanjakany ianao. Meteza hankatoa izay lazainv amínao.

3- Miady ho an'nv olonv
Rehefa mihaino ka mankatoa izay lazain'Andriamanitra amin'ny alalan'ilay Anjely ny olona dia hiaro sy hiady ho azy ireo amin'ny hetraketraky ny fahavalo mandrakariva ilay Anjely. Fanomezantoky izanv fa tsy miady irerv ny olony fa eo Andriamanitra miady ka mampandresy. Tsarovy tsy irery ianao eo am-piatrehana ny fiainana. Na dia misy aza ny fahavalo manakana ny dianao ankatoavy ny Tenin'Andriamanitra dia ho mpandresy ianao.

Fanontaniana :
Inona no fitaovana mahomby omen'Andriamanitra anao mba handresena asan'ny ratsy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12