dimanche 5 février 2012
Alahady 05 Febroary 2012 - Asa 7 : 30 - 34
30 Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy. 31 Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe: 32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika. 33 Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io. 34 Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...