mardi 7 février 2012
Talata 07 Febroary 2012 - Jer 24 : 4 - 7
4 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana. 6 Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. 7 Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...