samedi 18 février 2012
Sabotsy 17 Febroary 2012 - Gen 6 : 9 - 16
9 Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. 10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. 11 Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza; 12 dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany. 13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. 14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. 15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, akiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. 16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...