mardi 28 février 2012

Talata 28 Febroary 2012 - Jon 3 : 4 - 10


4 Ary Jona niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra] 5 Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6 Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona. 7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. 8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10 Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12