mercredi 22 février 2012

Alarobia 22 Febroary 2012 - Gen 22 : 9 - 13


9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. 12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12