jeudi 9 février 2012
Alakamisy 09 Febroary 2012 - I Sam 16 : 6 - 10
6 Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. 7 Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 8 Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. 9 Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. 10 Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...