dimanche 30 mars 2014

Alahady 30 Martsa 2014 - II Mpa 22 : 11 - 20

11Nony ren'i Jôsià mpanjaka ny teny tao amin'ilay Bokin'ny Lalàna, dia nandriatra fitafiana* izy. 12Ary nomeny baiko i Hilkià mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin'i Safàna mbamin'i Hakbôra zanakalahin'i Mikaià mbamin'i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:
13–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an'ny vahoaka manerana an'i Joda manontolo ny amin'ny teny raketin'ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin'ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran'ny TOMPO.
 
14Dia lasa nankany amin'i Holdà mpaminanivavy* i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin'i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon'i Jerosalema, dia vadin'i Saloma zanakalahin'i Tikvà sy zafikelin'i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià, 15dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka hoe: 16«Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin'ilay boky novakin'ny mpanjakan'i Joda. 17Efa nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra nataon'ny tanany. Izany no nirehetan'ny fahatezerako tamin'ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao: Ny amin'ny teny izay efa renao, 19dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 20Indro hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an'i Jerosalema.› »

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12