vendredi 7 mars 2014

Zoma 07 Martsa 2014 - Rom 5 : 6 - 16

6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin'Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin'Andriamanitra tamin'izany ny fitiavany antsika. 9Koa, amin'izao isika efa tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra noho ny ra nafoin'i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin'ny alalan'i Kristy tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra*. 10Eny, fony fahavalon'Andriamanitra aza isika, dia nampihavanina taminy noho ny fahafatesan'ny Zanany*; vao mainka izao isika efa nampihavanina tamin'Andriamanitra izao, dia tena hovonjena tokoa noho ny fahaveloman'ny Zanany. 11Tsy izany ihany, fa mirehareha ao amin'Andriamanitra koa isika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay nahazoantsika izao fihavanantsika amin'Andriamanitra izao.
 
12Noho ny nataon'ny olona anankiray, dia i Adama, no nidiran'ny fahotana teo amin'izao tontolo izao, sady nidiran'ny fahafatesana koa noho ny fahotana; ary dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy nanota izy rehetra. 13Talohan'ny lalànan*'i Mosesy dia efa nisy fahotana teo amin'izao tontolo izao; nefa ny fahotana dia tsy mbola natao hoe fandikana, raha tsy mbola nisy ny lalàna. 14Na izany aza anefa, hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy dia efa nanjaka ny fahafatesana, na dia tamin'ireo tsy nanota toraka ny nataon'i Adama izay nandika ny didin'Andriamanitra aza.
Ary i Adama dia tandindon'Ilay ho avy. 15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12