mardi 25 mars 2014

Talata 25 Martsa 2014 - Isa 41 : 10 - 18

10Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho,
aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao.
Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa;
ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.
11Indro ho menatra sy ho afa-baràka
izay rehetra naneso anao.
Hanjary tsinontsinona sy ho levona
ny mpanohitra anao.
12Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao
fa tsy ho hitanao;
hanjary tsinontsinona sy zava-poana
ireo mpiady aminao.
13Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
Izay mitantana anao amin'ny tanan-kavananao
sady mamerimberina aminao hoe:
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»
 
14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Aza matahotra ianao,
ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba,
lazaina hoe mora vonoina toa kankana.
Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao,
Izaho ilay Masin'i Israely no mpanavotra anao.
15Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao
izay misy nifiny maranitra;
ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra
ary hataonao lasa akofa ny havoana.
16Hokororohinao hoentin'ny rivotra izy
sy haelin'ny tadio;
fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao
ary Izaho ilay Masin'i Israely no hireharehanao.
 
17Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo
nefa tsy mahita mihitsy,
ka mainan'ny hetaheta ny lelany.
Izaho TOMPO kosa hihaino azy;
Izaho Andriamanitr'i Israely
tsy mba handao azy.
18Hampiboiboika renirano
eny amin'ny havoana mangadihady Aho
ary koa loharano eny an-dohasaha,
ka hanova ny taniefitra ho farihy
ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12