vendredi 28 mars 2014
Zoma 28 Martsa 2014 - I Tim 1 : 12 - 16
12Velom-pisaorana an'i Kristy*
Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako.
Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na
dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy.
Kanefa namindran'Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka
tsy nahalala izay nataoko. 14Naidin'ny
Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin'ny finoana sy ny
fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 15Azo
antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin'ny olona rehetra: Tonga
tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no
faraidiny amin'ireny. 16Kanefa
izao no anton'ny namindran'Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon'i
Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho
ohatra ho an'izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...