jeudi 20 mars 2014
Alakamisy 20 Martsa 2014 - I Pet 3 : 18 - 22
18Fa
i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny
Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho
amin'Andriamanitra. Novonoina tao amin'ny nofo i Kristy, fa novelomina
araka ny Fanahy Masina. 19Nombàn'ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin'ireo fanahy voagadra, 20dia
ireo fanahin'ny olona tsy nanaiky an'Andriamanitra, fony Andriamanitra
nampiseho ny fahari-pony tamin'ny andro nanamboaran'i Noà ny sambofiara.
Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty
sambofiara ka voavonjy tamin'ny rano. 21Io rano io no tandindon'ny batisa*
izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny
batisa, fa toky omen'ny fieritreretana madio hitodika amin'Andriamanitra. Ny batisa no amonjena anareo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona, 22dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, ka eken'ny anjely* sy ny fahefana ary ny hery.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...