dimanche 6 avril 2014

Alahady 06 Aprily 2014 - Eze 18 : 23 - 32

23Moa sitrako ve ny hahita ny olon-dratsy ho faty? Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra fa ny hiovany fitondrantena mba hahavelomany no sitrako. 24Kanefa raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany ka manao heloka araka ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon'ny olon-dratsy, dia heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany. 25Hoy ianareo hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo!› Henoy tsara Aho, ry Israelita: Ny fitòndrako ve no tsy marina? Tsy ny fitondranareo ve no tsy marina? 26Raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany, ka manao heloka ary maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. 27Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy. 28Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany. 29Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo.› Tsy ny fitòndrako no tsy marina fa ny anareo! 30Noho izany, Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka. 31Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita? 32Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo.›

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12