dimanche 13 avril 2014

Alahady 13 Aprily 2014 - Lio 19 : 29 - 44

29Rehefa nanakaiky an'i Betifage sy i Betania izay eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany* 30ka nanao hoe:
–Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana itsy. Rehefa tafiditra ny tanàna ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan'olona; vahao izy ka ento atỳ. 31Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Nahoana io no vahanareo?», dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo azy
 
32Nony lasa ireo nirahina, dia nahita araka izay voalazan'i Jesoa taminy. 33Raha namaha ny zana-boriky iny izy, dia hoy ny tompom-boriky hoe:
–Nahoana io no vahanareo?
 
34Dia novalian'izy roa lahy hoe:
–Misy ilàn'ny Tompo azy!
 
35Nentin'ireto iraka nankeo amin'i Jesoa ilay zana-boriky; ary ny lamban'izy roa lahy no napetrany teo amboniny, vao nasainy nitaingina i Jesoa. 36Nony nandroso i Jesoa, dia namelaran'ny olona lamba teny amin'ny lalan-kalehany. 37Rehefa nanakaiky an'i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin'ny tendrombohitra Analanôliva, dia nisy mpianatra marobe indray nientan-kafaliana sady nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho ny asa mahagaga rehetra efa hitany; 38hoy ny antsoantsony hoe:
«Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
ny Mpanjaka izay avy!
Fiadanana anie any an-danitra,
ary voninahitra anie ho an'Andriamanitra
 
39Nisy kosa Farisianina* avy teo anivon'ny vahoaka niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba teneno ny mpianatrao hangina!
 
40Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
 
41Ary nanakaiky an'i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy 42sady nanao hoe:
–Raha mba fantatrao amin'ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany! 43Fa ho avy aminao ny andro hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza. 44Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren'Andriamanitra hamangiana anao!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12