vendredi 18 avril 2014

Zoma 18 Aprily 2014 - Lio 23 : 26 - 46

26Ary raha nitondra an'i Jesoa hovonoina ireo miaramila, dia sendra an'i Simôna lehilahy sireneanina nody avy tany an-tsaha; notanany ralehilahy ka notereny hankeo aorian'i Jesoa, hanampy Azy hitondra ny hazofijaliana.
27Vahoaka betsaka no nanaraka an'i Jesoa ary anisan'izany vehivavy maro izay nandona tratra sady nitomany Azy. 28Nitodika azy ireto i Jesoa ka nanao hoe:
–Ry vehivavy eto Jerosalema, aoka izay ny fitomaniana Ahy, fa ny tenanareo sy ny zanakareo itomaniana! 29Eny, ho avy ny andro hilazana hoe: «Sambatra ny vehivavy momba, tsy niteraka sady tsy nampinono!» 30Amin'izay ny tendrombohitra hilazan'ny olona hoe: «Ianjerao izahay»; ary ny havoana hilazany hoe: «Saròny izahay31Fa raha izao no hatao amin'ny hazo maitso, inona no hihatra amin'ny hazo maina?
 
32Ary nisy koa olon-dratsy roa lahy nentina hiara-kovonoina amin'i Jesoa. 33Rehefa tonga tany amin'ny toerana atao hoe Ikarandoha, dia nohomboana tamin'ny hazofijaliana i Jesoa mbamin'ireo olon-dratsy, ka ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. 34Ary i Jesoa namerimberina hoe:
–Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony!
 
Dia nifampizaràn'ireo miaramila ny fitafian'i Jesoa ka nanaovany loka. 35Ny vahoaka tamin'izany nijanona teo nijery. Ny manampahefana jiosy kosa nandatsa nanao hoe:
–Namonjy olon-kafa Izy, ka aoka hamonjy ny tenany, raha Izy tokoa no ilay Mesia avy amin'Andriamanitra!
 
36Ny miaramila koa naneso an'i Jesoa ka nanatona hanome vinaingitra Azy 37sady niteny hoe:
–Raha Ianao tokoa no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao!
 
38Ary teo ambonin'ny lohan'i Jesoa dia nasiana soratra hoe: «Ity no Mpanjakan'ny Jiosy!»
39Ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nihantona teo dia nanevateva Azy ka nanao hoe:
–Tsy Ianao tokoa ve no ilay Mesia*? Vonjeo ny tenanao ary vonjeo koa izahay.
 
40Fa niteny azy mafy kosa ilay faharoa nanao hoe:
–Tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy ve ianao, na dia voaheloka miaraka amin'ity olona ity aza? 41Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin'ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.
42Dia izao no naverimberiny:
–Jesoa ô, mba tsarovy aho rahatrizay ho avy indray Ianao amin'ny maha Mpanjaka Anao.
 
43Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina aminao fa anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao.
 
44-45Tamin'ny mitataovovonana teo ho eo, dia takona ny masoandro ka rakotra haizina ny faritany manontolo ary naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. Nitriatra nizara roa kosa ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina* tao an-tempoly*. 46Ary niantso tamin'ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
–Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko!

Avy nilaza izany Izy, dia niala aina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12