mercredi 2 avril 2014

Alarobia 02 Aprily 2014 - II Mpa 4 : 38 - 44

38Niverina nankany Gilgala i Elisà. Nanjakan'ny mosary ny tany tamin'izay ka novoriny teo anatrehany ny andia-mpaminany; sady hoy izy tamin'ny mpanompony:
–Ataingeno eo ambony fatana ny vilany lehibe ary manaova lasopy ho an'ny andia-mpaminany*.
39Dia lasa hitsongo anana tany an-tsaha ny mpaminany iray, ka nahita zava-maniry mandadina niotazany voatangom-bazaha; dia nahangona iray trotroana tamin'izany izy. Ary nony tafaverina izy, dia notetehiny madinika ireo ka narotsany am-bilany fa tsy nisy nahafantatra. 
 
 40Rehefa naroso anefa izany lasopy izany, ka samy nanandrana ny olona, dia nitaraina hoe:
–Voapoizina ny lasopy, ry olon'Andriamanitra ô!
 
Ary tsy azo nohanina tokoa izany. 41Fa niangavian'i Elisà kosa ny hitondrana lafarinina. Dia nandrotsaka izany tao am-bilany izy, vao niteny hoe:
–Andoary amin'izay ny olona ary aoka izy hihinana!
Koa nanjary fihinana indray ny tao am-bilany.
 
42Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an'ity olon'Andriamanitra*.
 
 Dia nilazan'i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin'ny olona; 43fa hoy kosa ilay mpanompony:
–Fomba ahoana no hamahanako olona zato amin'ireo?
 
Ary hoy indray i Elisà:
–Zarao amin'ny olona rehetra ireo hohaniny, satria izao no lazain'ny TOMPO: «Hihinana sahaza ny olona ary mbola hisy aza sisa tsy lany.»
44Dia notsinjarain'ilay mpanompo tamin'ny olona ny mofo ka samy nihinana avokoa ny tsirairay ary mbola nisy aza sisa tsy lany araka ny voalazan'ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12